You are here: home > Vetso

RAHA MATY NY POETA - Ainampaniry Anjara Nivo

Azo vakiana?

RAHA  MATY  NY  POETA

Raha maty ny poeta dia mihena ny olo-manga
Kanefa ny hirahirany vao mainka kosa hitranga
Hiran'ny fanahy tsy hiety ho latsaka aina intsony
Hotanterin'ny avelony fa hirahiram-pony.

Raha maty ny poeta ho'aho tsy ho honohono sisa
Ny teny fahendrena sy fahaizam-boatanisany
Fa mbola eo ny fiainana hanaporofo izany
Tsy maintsy ireny hitranga raha tany koa ny tany.

Raha maty ny poeta, hisy handimby toerana azy
Hamoron-kira vao amin'ny andro mbola ho avy
Hamelona ny ngadona sy rima mifanjohy
"Na maty ny poeta, ny tantara mbola hitohy".

Ainampaniry Anjara Nivo