You are here: home > Vetso

RAHA TOA - Ainampaniry Anjara Nivo

RAHA TOA

Ny nofo raha toa tsy mba manana tiana,
Tsy hoe ny fitiavana mbola matory;
Fa kosa misaina sy maminavina
Ny mety ho takaitra sy ho ratran'ny fony.

Ny vava raha toa tsy miloaka fitia,
Tsy moana na menatra hilaza an'izany;
Fa kosa matahotra mafy satria
Ny toky holazainy ka fitaka ihany.

Ny maso raha toa tsy voasarika hijery
Ny hatsara sy hakanton'ny endri-tsariaka
Tsy jamba na pahana akory izy ireny
Fa kosa mpandalina ny aty tsy hita.

Ainampaniry Anjara Nivo