You are here: home > Vetso

SAINO KELY - Ainampaniry Anjara Nivo

Azo vakiana?

SAINO KELY

Tato anatin'ny herinandro aho izay nitsikitsiky foana
Satria tonga fotoana ny fisandratan-tsaiko
Tsapako ary haiko fa raha mbola eto an-tany
Tsy maintsy mandalo olana,
Tsy maintsy mitomany
Kanefa na izany ny zioga sy fatorana tsy miala moramora.
Nataoko antsaina fotsiny hoe 'zaho mbola tanora
Dia manana fotoana hanarenana ny diso
Nataoko antsaina fotsiny fa ny ho aviko rahampitso:
"Mila fikirizana amin'ny androko androany"!

Saino kely izany!

Ainampaniry Anjara Nivo