You are here: home > Vetso

SEDRAO - Ainampaniry Anjara Nivo

S E D R A O

Sedrao  dieny  mbola  tsy  zatra  hirifiry
Ny  nofo  'zay  tsapa  fa  tena  malemy!
Fandrao  tsy  hahatanty,  tsy  hahovoka  firy:
Ny  ady  hampanaovin'ny  fiaina-mahery.

Sedrao  hahatakatra  ny  avo  sy  iva,
Ny  saina  tsy  mahay  ny  soa  sy  ny  tsara!
Fandrao  hofitahin'ny  lainga  voarindra,
Ho  diso  adiresy  amin'ny  zava-tsy  anjara.

Sedrao  ho  vodoana  ny  fo  be  fitia,
Ampahafantaro  ny  tena  mangidy!
Fandrao  hofitahin'ny  fon'olon-dia
Ka  ho  gadra  tsy  hanana  fanalahidy.

Ainampaniry  Anjara  Nivo