You are here: home > Vetso

TSY AHAIZANA - Ainampaniry Anjara Nivo

Azo vakiana?

TSY AHAIZANA

Tsy ahaizana mitady ny zarina tolorana.
Tsy ahaiza-manambady ny tsy fahazakàna olana.
Tsy ahaizana mifady ny tsy fahafehezan-tena.
Tsy ahaizam-pahantràna ny fanana harena.

Tsy ahaizana mifona ny vava tranon'hambo.
Tsy mahalala fitaka ny fo rehefa babo.
Tsy ahaizana ho malina ny fandri-matipaika.
Tsy voatery ho henjana 'zay lafatra fianjaika.

Tsy ahaiza-mahaleo tena ny zarina antsangory.
Tsy ahita afatsy nofy ny maso resin-tory.
"Ny tena fahamendrehana tsy fantatra mazava,
Fa tsy ahaizana ny marina ny lainga tsara laza".

Ainampaniry Anjara Nivo