TSY HOE RAHA TSY MITENY (AnjaraNivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HOE RAHA TSY MITENY

Ny fiainam-piandohàna,
Ny lalanao fahiny fony tany am-pahazazàna
Dia tena fiainan-dafatra
Kanefa na izany, tsy nilaozan'afatrafatry ry dada sy ry neny:
"Ity tany lehiretsy
, tsy hoe raha tsy miteny
Dia tsy hanimba anao ny akony!
Izay tsara filalao no afaka handresy izay ho ankasony!

Fa mantsy tsy ho ankizy na ho zaza lalan-dava,
Tsy maintsy hitondra tena ianao, hisedra izay sahaza
Natokana ho anao
Vimbino ankahamalinana izay fomba amam-panao
Nampianarin-dray sy reny
Fa ity tany lehiretsy, tsy hoe raha tsy miteny
Dia tsy hanimba anao ny akony
Izay tsara filalao no afaka handresy izay ho ankasony.

Hiaina ianao ka hiaina,
Hiady sy hifanandrina amin'izany hoe adin-tsaina.
Mbola sarotsarotra ny ho lalana hifanesy,
Ataovy foto-kevitra hoe: "miady dia mandresy"!
Fa ity tany lehiretsy
Tsy hoe raha tsy miteny dia tsy hanimba anao ny akony.
Izay tsara filalao no afaka handresy izay ho ankasony!

Hitia ianao, miomàna.
F'io sehatra io dia sehatra mamono tsy hay ravàna.
Kanefa ianao raha malina, mahay mandanjalanja
Dia indro omena anao ny solom-betson'arahaba:
Na ho no inona na ho inona firedaredan'afony,
"Hanananao ny tosika handresena izay ho ankasony"!

Ainampaniry Anjara Nivo
--------
Rohy:
475 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AnjaraNivo
Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 28/07/2021 19:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101