ZAVA-MAHERY (AnjaraNivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZAVA-MAHERY

Zava-mahery tsy resin'ny fony
Ny zavatra mihatra amin'ny ainy satria:
Matevim-pisoko sy sarotra hatony
Hono ny haratsian-tsain'ity fiainana ity.

Tsy mbola olombelona vonon-kiarina
Anefa raha 'zany no mby ao antsaina,
Aiza ity lalana mbola hotratrarina
No eto sahady dia sasatra miaina?

Tsy ho voaraviran'izay fendrofendro
Ny ady amin'ny fiainanao mampitomany
Izay aloha no isany iray manandevo,
Ny "kapo-pitiavana" koa etsy ihany.

Ireo tsy ho resy raha tsy efa matihanina
Ianao amin'ny herin'ny fo sy ny saina.
Ataovy filamatra sady arofanina
Miorina anaty ny hoe "tsy ankitaraina":
Ny fiainana iainana ambonin'ny tany.

Ainampaniry Anjara Nivo
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
352 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AnjaraNivo
Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 12/03/2021 19:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152