You are here: home > Vetso

Embona azy ! - Andriamihaja Johan (H-mainty)

Azo vakiana?

Embona azy !

Meteza ry lokanga, hihira iraika monja
‘ty zana-boromanga toa safotsafotr’onja
F’injao ny alahelo manevika ny làlako
Ny oram-belovelo, isentoako ilay malalako

Eny! Meteza ry malala, hiaraka eto isika
Hiaraka hanala ‘ty ora mangatsiaka
F’injao ny foko ory, te hahita anao hatrany
Tsy mampahita tory, mampilatsaka tomany!

       A.L.J.

25-04-2005 10h15

Sokajy : Alahelo

Hametraka hevitra

Midira aloha