You are here: home > Vetso

KAMBOTY - ANDRIANAIVO PAUL

Azo vakiana?

       KAMBOTY

Vao nitsiry saina Aho dia efa fantako,
Ijay anjara sy lahatra efa voatondro,
Mafy sy mangidy ny hoentiko,
Laha-Zanahary voatendry tsy hirava.

   Moa tsy mangidy ve 'zany tsy manan-kantenaina?
Mety tsy zaka nefa mbola hitony
Raha ny namana no antenaina hampitony
Dia tsy hisy intsony ny ranomaso sy toloko.

   Lavitrin'ny tambitamby ny atao tsy misy mpankasitraka
Miandrandra tohana fa tsisy mijery
Ny ho avy mbola feno misitery
Ny alahelo sy sento no miraraka.

Hametraka hevitra

Midira aloha