Anjara,lahatra (Anj'art Nantenayna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mba natao ahy ampitso
Na ny hamatatra azy
Fa raha ka ahy ny safidy
Dia nalamiko eto sahady


Tsy mba izaho ilay tompony
Fa azy ny safidiny
Noho izany mantsy
Dia izo no nofinidy



Fa nahoana moa ry lahatra
Nahoana re ry anjara
Nahoana no dia miangatra
Rehefa ianao no mitsara


Sa izaho ilay ratsy vitana
Sy teraka alakaosy
Dia ampahoriana
Hosena endrasana ho maosy


Saingy ny ahy ane hiafiko e
Fa nalahatra ho zakaiko
Fa ny hany faniriko
Mba esory koa ny aiko


Zany vata tenako
Ory laotra izao
Tsy misy hiafenako
Ny jaly asetrinao


Fa nahoana laotra e
Marary ane ny foko
Tsy ho zakako intsony
Iza no mba hatsoko


Anjara ratsy faona
No asalotra ny endriko
Mangidy lava izao
No arafitra ho leferiko


Sao mba tsy izy intsony
Misy ve ny anjara ?
Sa tsy reny intsony
Zato izaho mivazavaza
--------
Rohy:
1251 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Anj'art Nantenayna
Nampiditra : Rantsanaambodiala
Daty : 29/03/2018 19:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01