Miranto (Anj'art Nantenayna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa manjary zavampoana
Ny fiainako rehetra
Raha tsy eo ny fotoana
Hijereko ny endrikao

Mifoha aho ny maraina
Mibanjina ny andro
Saingy toa malaina
Raha toa tsy ahita anao iray andro

Zavampoana ny fiainako
Raha tsy anilanao
Ilay hany hitarainako
Ilay tiako hatrizao

Moa mba fatatrao
Fa aleoko mintsy maty
Toy izay ilaozanao
Toa tena tsy ho taty

Mafy rehefa tia e
Malahelo faona
Manatona, mijereha
Ity fo te hihaona
--------
Rohy:
Sokajy : embona
715 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Anj'art Nantenayna
Nampiditra : Rantsanaambodiala
Daty : 01/03/2018 06:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146