Nofo (Anj'art Nantenayna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moa mba fantatrao ry nofo
Izay mikatsaka ny mamy
Fa ho rava sy hiofa
Ny tenanao indray andro any

Moa tsaroanao tokoa
Ny fahafinaretana
Ka manimba fo
Sy mitondra aretina

Tsy aiko ianao raha hino
Raha toa ka ilazako
Nefa aza adino
Fa tsy lainga ity tantaraiko

Fa maro no niliba
Fony teto antany
Nefa indrisy fa nijinja
Ranomaso ihany

Maro ireo tanora
Nanarampo sy nihenjy
Fotsy ra sy rora
Saingy tsy mba hendry

Tsarovy fa ny eto ane mandalo
Tsy maintsy mbola ho faty isika
Hihova taolambalo
Ho aiza ianao ry ditra
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
724 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Anj'art Nantenayna
Nampiditra : Rantsanaambodiala
Daty : 02/03/2018 20:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105