Angano ... Arira ... - Bana Rahalahy
Angano angano, arira arira
Tsy izaho no mpandainga fa ny tany aloha.
Misaotra dia misaotra anareo Razambe
Misaotra dia misaotra anareo nanome
Angano, Kabary, Hainteny, Hira
Ohabolana, Ankamantatra mahavariana ! ! !
Misaotra anareo tany aloha
Namela ho anay LOVASOA ...
Angano angano, arira arira
Tsy izaho no mpandainga fa ny tany aloha.
Na kilonga na lehibe
Samy tonga fa te handre
Tsara ...
Vory ny vahoaka hifampizara
Ireo anganon'i Gasikara
Tsara ...
Faramalemy, Kotobekibo
Kotofetsy sy Mahakà
Trimobe sy Sohitika
Iboniamasoboniamanoro
Rapeto sy Rasoalao
Imbahitrila Silakolona Ibotity ...
Na koa angano vaovao
Anao rahavana ny safidy
Zava-maro no tantaraina
Atsipy ao an-dohan'ny manan-tsaina
Tsara ...
'Reo anganon'i Gasikara
Atolotra ny dimby sy fara
Tsara ...
Bana Rahalahy Jona 2006
Mombamomba
Mpanoratra : Bana Rahalahy

Nampiditra : JMR
Daty : 11/08/2006
Mpamangy : 4857
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny marina?Manoratra
Mpivavaka
Vazo mora (mal)azo loatra
MPANOLANA ZAZA
Izaho valiha ianao ... niovaova
«Olona izy fa tsy alika vavy»