«Olona izy fa tsy alika vavy» (Bana Rahalahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mpampody vady mifona
- Saina tsy tony, fo tsy salama,
Tosi-drà miakatra ambony tsy tana,
Very fanahy ka mivaha miparitaka ...
Ny vady tsy foy nahasahy nisitaka !

Ny maso milentika mando sy mena
Ny orona tsentsina seriserena
Rehefa tsy mahita anao elaela
O Ravaditsifoikokanefanamela

Nisy ihany nety natao tsindry fe
Fa hafa ihany ianao Ravadibe
Ka mitalaho be sy mifona aminao
Miverana modia re raha mbola azo atao!

Setriny
- O Ratiakofahininavelakoteo
Izao ianao dia miseho mitoreo?
Tsara fa tara hoy Raleoninandefitra
Ny «mifona aho malala» efa reko matetika !

Hadinonao sahady ve?
Ireo teny sy latsa,
Ireo trerona be,
Sintom-bolo sy daka,
Ireo teham-pify tsy nisy an-kitsitsy !
Pà pà pà ! Ny oroko impiry nibobarà!

Ianao raha mamo toaka, na mamo jamala
Be fiavy sendaotra, toa olona adala.
Baikonao aho «Matoria!» dia matory ...
Baikonao «Mandadiza!» dia mandady ...
Matahotra mantsy, fa ambananao antsy!
Dia vetavetainao toy ny tsy vady ...

Mihetsika anio ny hambom-pom-behivavy!
Ka miala tsiny, manao aza fady
Ny aty efa tofoka resa-matavy!

Manombok'izao aza reraka miandry,
'Reo «tsindry fe-nao» no omeo tambitamby.
Ataovy anatra ho amin'ny ho avy,
Mba asio hajany ihany ny vady!
Olombelona izy fa tsy alika vavy!

Mpampody vady tezitra
- Andana koa mahazo f'izaho tsy mila
Vehivavy matin-kambo sy be filafila!

Setriny
- Jereo izato ianao, fa maharikoriko
Lasa ankahalaiko na dia mbola tiako.
Tapero ny resaka aza tohizana
Fa leo be aho no tena efa vizana.

Mpampody vady vao mainka romotra
- Kala alika vavy ity !!!

Setriny
- ???

Bana Rahalahy 21 Septambra 2005
--------
Rohy:
Sokajy : Mariazy - Fitiavana - Fisarahana - Ady
3777 2
Hevitra mandeha
983 ( 21/09/2005 19:35)
aza dia masiaka loatra , voadonan'ny fiainana ve sa...... 983
JMR ( 21/09/2005 20:22)
Io dia tantara marina
Fa tsy namboarina ...

Vazivaziko izany,
Kanefa jereo ihany
Fa mety hiseho
Amin'ny mpiara-monina akaiky anareo !

Tsy hoe masiaka loatra ry 983 fa
Tezitra be kosa am'ireo lehilahy (na vehivavy) kanosa
mpamono vady !

Voadonan'ny fiainana ve? Hoy ianao manontany. Tsy voadona mihoatra ny antonony ... Asa anefa?
nikopol ( 22/09/2005 10:42)
ankafiziko e! hafa kely! hainteny, tantara mifangaro poezy lol
omeko isa 5
JMR ( 22/09/2005 12:18)
Misaotra e!
fiaritiana ( 26/09/2005 12:14)
tantara tena misy io an!sady misy akana lesona
misaotra e!tsara be ilay izy
isa 5
neo83 ( 16/05/2008 05:42)
Isa 5 bdb b. tsara b.
nyratsima ( 08/03/2011 14:29)
mosaotra milaza ny zavamarina e !!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bana Rahalahy
Nampiditra : JMR
Daty : 21/09/2005 12:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1774