Vazo mora (mal)azo loatra - Bana Rahalahy
Azo vakiana?
"Hafatra ho an'ny zanaka vavy"
Avoavoin'ny vava mpandoka ka indro sodoka manao teli-moka.
Ijijijijian'ny antsanga tsy aman'oran'ny zatovo mamba
Dia anaty vovo no milangalanga.
Asa ?
Efa tia manandrakandrana kosa angamba ?
Ny dobo tsy hita no mahamanimanina ...
Fa raha milomano izay sendra mandalo
Azo inoana marina
Fa ny hiafarany :
Tsy hisy intsony na iray hanontany na hitsiriritra,
Dobo maina sy ritra !
Bana Rahalahy 02 Mey 2005
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Bana Rahalahy

Nampiditra : JMR
Daty : 23/05/2005
Mpamangy : 1684
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Angano ... Arira ...Ny marina?
Manoratra
Mpivavaka
MPANOLANA ZAZA
Izaho valiha ianao ... niovaova
«Olona izy fa tsy alika vavy»