"ZAZAVAVY KELY 6 TAONA NAOLAN'NY DADATOANY!!!" Maharikoriko sy ma..." />
You are here: home > Vetso

MPANOLANA ZAZA - Bana Rahalahy

Azo vakiana?

Hita tao amin'ny gazety malagasy iray:
"MPANOLANA ZAZA TRATRA"
"ZAZAVAVY KELY 6 TAONA NAOLAN'NY DADATOANY!!!"


Maharikoriko sy mampihoaka !
Habibiana tafahoatra !
Tsy mataho-tody, simba saina
Zaza ts'isy tsiny no vetavetaina ! ! !
Vaky rà, mikikiaka mitomany,
Tsy ahoany akory izany ! ! !

Any ho any firifiry ireo ankizy naolana nijafajafa
no miaritra mangina, zary taizam-pahoriana ?
Fahazazany sarobidy nosimbaina nolotoina.
Mangidy koa raha mangidy, ratra-po tsy hay tsaboina
Ota fady tapitr'ohatra mamela fery tsy hanolatra !
Maharikoriko ! Mampihoaka !
Habibiana tafahoatra !

Ny fianakaviana fadiranovana
Ny zaza efa potika montsamontsana
Nefa mbola manampy trotraka :
Ny laza aman-kaja voahoso-potaka.

Indraindray ny tena mampiaiky,
ny mahavanin-doza : havana akaiky !
Mpanota fady !
Inona no sazy mendrika ho azy ?

Na impito maty
Dia mbola tsy ampy ! ! !

Bana Rahalahy 08 Mey 2005

Hevitra mandeha

tselatra (21/08/2005 11:11:27)

ie! ota fady tapitr'ohatra marina satria tsy mba fanao eto an-tany izy ireny, efa ho rava marina izao fiainana izao ,na dia any aminy tontolon'ny biby aza tsy ahitana an'izany ,mba nandinika aho hoe :karazan-tsazy toy ny ahona no homena azy ,aleo rangahy hafindra planeta izy e! satria ny eto antany efa tsy mendrika azy.

JMR (21/08/2005 12:19:47)

Ary raha any amin'ny planeta hafa any indray izy no manao ny habibiany dia ahoana?

Hametraka hevitra

Midira aloha