Izaho valiha ianao ... niovaova - Bana Rahalahy
Azo vakiana?
Izaho valiha, ianao farara
Raha miara-dia dia tena tsara
Izaho valiha, ianao lokanga
Mampiara-peo ka tena manja mmm!
Ny rahona aza hisava
Iny lanitr'iny manga lalandava.
Izaho valiha, ianao gitara
Raha miara-dia dia tena tsara
Izaho valiha, ianao kabôsy
Isika aky tsy lany lamaody
Izao valiha, ianao angorodao
Tsara miaraka izaho sy ianao.
Nandeha ny andro, ny fotoana
Izaho dia valiha foana !
Ianao 'ndraindray farara
'Ndraindray lokanga
Kabôsy na gitara
Na angoradao ...
Asa aloha Malala
Fa izany angamba
No nahatonga antsika tsy hifankalao?
Fa n'inon'endrika nisehonao
Izaho valiha nahay nampiara-peo
Ka zary fitia vaovao
Tsy mba nety nankaleo !
Bana Rahalahy Aogositra 2005
Hevitra mandeha
Oully (14/11/2005 10:26:21)
Hay va re ry Bana eh !!! hihihihi
Andamioly :)
JMR (15/11/2005 16:32:04)
Mombamomba
Mpanoratra : Bana Rahalahy

Nampiditra : JMR
Daty : 31/08/2005
Mpamangy : 1938
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Angano ... Arira ...Ny marina?
Manoratra
Mpivavaka
Vazo mora (mal)azo loatra
MPANOLANA ZAZA
«Olona izy fa tsy alika vavy»