Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ny marina? (Bana Rahalahy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maty ve ny marina?Ny marina?
Sss !!!
Raha ny tena marina
Marina raha tsy azo amboarina !
Fa inona no tsy ho vita
Raha ianao mahitahita?
Ny marinan'ny be vola
No marina tsy mety tola
Ny marinan'ny be basy
No marina tsy mety maty !
Ny marinan'ny kely sandry
Voahitsakitsaka dia dangy !
Mba te hiarina nefa voatsindry
Ka ratsy fiafara any an-dava-piringy !
Ny marina?
Nofy sisa !
Nofinofy mamintsika !
Bana Rahalahy
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
