Manoratra - Bana Rahalahy
MANORATRA
http://bana.artiste-malgache.com/2007/02/27/manoratra/
Ny saina toa mivoraka? Malaky! Fanafody tokana :
Manoratra, manoratra ...
Maratra fo? Mitomany? Ny fanefitra am'izany :
Lahatsoratra voakaly !
Voafingana ka potraka? Nidaraboka amam-potaka?
Fanadiovana : manoratra !
Na kabôsy, na gitara, na valiha, na farara
No maneno sendra eo, raiso kely dia tendreo !
Ny do-re-mi-fa-sol-la-si injay voarindra lasa feo:
Feon-kira soa mandravaka 'reo teny izay nalahatra .
Ka 'lay entana mavesatra, lasa maivana, malefaka ...
Ho kaloiko ho anao ity hira vaovao
Rehefa 'lay izaho sy ianao miaraka mipetrapetraka,
Miala voly, miala reraka ...
Na kabôsy, na gitara, na valiha, na farara
No maneno sendra eo, isika roa hampiara-peo.
Tampoka hifampiantsampy !
Fitia mandoro tsy afa-miandry !
Bitsibitsika sy kiaka indray no tononkirantsika,
Sefosefo no mozika !
Afaka ny sorisory ... Rendremana aho ... Ianao matory ...
B.R. 15 Novambra 2002
Hevitra mandeha
nikopol (12/05/2005 10:26:39)
JMR (12/05/2005 11:25:25)
Kotity (04/09/2005 16:52:15)
JMR (04/09/2005 22:13:18)
Misaotra e!
"Mamiko ny tenin-drazana
Ka sady amoronako hira
No itoriako fitiavana"
emi (15/04/2007 22:26:22)
Variana aho nijery sy nandinika ny soratrao,tena kanto ary hita mivantana ny maha-malagasy azy zato isa-njato,mazotoa e!tohizo fa tsara.
Mombamomba
Mpanoratra : Bana Rahalahy

Nampiditra : JMR
Daty : 28/04/2005
Mpamangy : 1706
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Angano ... Arira ...Ny marina?
Mpivavaka
Vazo mora (mal)azo loatra
MPANOLANA ZAZA
Izaho valiha ianao ... niovaova
«Olona izy fa tsy alika vavy»