AMBOARAM PAHORIANA (BerthiN AinA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny fiainako no tanisaina
Dia mety hampitomany raha tantaraina
Fa fiainana nandalo fisedrana mafy
Fisedrana ara-batana ara-panahy

Tapitra amiko angamba ny olo_tsimanjary
Nefa mba asa-tanan_janahary
Fa dia be aretina,be fahoriana
Tsy mba misy filaminana fa feno fijaliana

Ranomaso sy alahelo ny andro atokom-piainana
Tsy havana tsisy Namana
Olo-mboaozona hatrany An_kibo
Lo VĂ´ any anaty tany toy ny mbizo

Tsisy masoandro miratra fa marary anaty
Ny olona manohy ny fiainana ny sasany mankany Andafy
Ny tena eto am-pandriana na Fety
Mitanondrika tsy miady nefa Resy

Raha akambana reo rehetra reo dia nahazo Amboara
Raha nosoratana dia vita tantara
Nefa aleo atao amboara aminy anarana fahoriana
Satriany fianako tety Fijaliana


BerthiN AinA
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1170 0
Hevitra mandeha
berthinaina ( 03/07/2016 04:01)
aminy fiteny betsileo dia Mbizo ireo vomanga aminy fiteny hafa
Razakasoa-joda ( 03/07/2016 06:42)
mitovy isika!
berthinaina ( 10/07/2016 08:01)
zany a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : BerthiN AinA
Nampiditra : berthinaina
Daty : 03/07/2016 03:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144