You are here: home > Vetso

IZAY TINAO - BerthiN AinA

Azo vakiana?

Izay tianao dia ambarao
Fa raha mbola vitako dia hatao,
Sy tsy hitarainako tana-miepaka
Ary tsy hananako henatra

              Zay fantatrao fa tsara
              Dia atoroy ahy ry malala
              Fa anio ihany dia vitaiko
              Na aza hanapitra ny fofonaiko

Zay rehetra fa mety aminao,
Aza isalasalana fa tonga dia lazao
Satria ianao no nahatobgavako eto
Ary koa hampifaly anao tsy hisy sento

              Zay maminao rehetra misy
              Dia mamiko avokoa na indrisy,
              Mety tsy ho ahy zay fonao tiako
              Na dia tanjoko aza sy faniriako

==> berthin aina

Sokajy : vazivazy

Mombamomba

Mpanoratra : BerthiN AinA


Nampiditra : BERTHINAINA
Daty : 26/05/2017
Mpamangy : 967
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NITSOTRA
FITIAVAKO
MISY FITIA
ANTSO HOAN'NENY
SENTO sy TOMANY
HO INONAO
MISY RAHA
FAFANA SY HADINO
HAFATRO
EKEKO