HAFATRO (BerthiN AinA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry lay rano mikoriana
Etsy ange ianao mb hafarako
Raha tazanao re i voahirana
Dia lazao hoe eto izy andrasako

Fotoananay mantsy anio
Atsy afarafara atsy no hiarahana
Nefa izy moa vahiny aminio
Dia hotsenaiko eto antsapanana

Eto hono aho mitazatazana
Miandry zay ora hahatongavany
Tsy dia lavitra hoe nareo no hitsangatsangana
Koa aza dia fenoina akanjo be ny vatany

Mba apitao aminy izao hafatro izao
Tsy maninona aza na efa eny andalana izy
Dia tongava soa any aminy zay haleh ianao
Tsy ho sendra loto tsy ho sendra biby

berthin aina
--------
Rohy:
Sokajy : iraka manokana
1484 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : BerthiN AinA
Nampiditra : berthinaina
Daty : 02/05/2017 03:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104