FITIAVAKO (BerthiN AinA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
amin'izao ora izao
no hanoratako ho anao
ry tokako eto an-tany
lay nofinidiko tany hoany

anio no hanambarako
ny fitiavako mihombo ato
mandoro manimba ny atiko
mikasa hamely ny fatiko

hosoratiko ho hitan-danitra
fa ny fitiavako anao na manitra,
tsy hitovy velively aminy raozy
na dia mavokely tsara paozy

ny fitiavako anao hafahafa
boribory nefa tsy sahafa
lavalava nefa tsy akalo
malemilemy mahatohatra fahavalo

zany no fitiavako anao tsotra kely
tsy makasarotra na anjely
mamiratra na tsy akaiky
manitona ny manodidina hiaiky

berthin aina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1365 1
Mpakafy: Mandinika
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : BerthiN AinA
Nampiditra : berthinaina
Daty : 08/07/2017 07:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144