FANIRIANA (BerthiN AinA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Faniriako ny mba ho sambatra
Nefa indrisy ny fiainana miangatra
Nanome fahoriana ho ahy hantrany
Ny tanjony dia handavo ahy @tany

Efa ela mintsy no nijaliako taminy fiainana
Satria tsy nisy na iray azo mba hitarainana
Fa dia niady irery
Niaritra na dia mafy ny kapoka sy vely

Nikiry foana anefa aho noho ny faniriana
Niaritra hatrany na maro ny mpanakiana
Te hanantena nefa tsy sahy
Noho ilay fiainana miangatra aminahy!!

Naleoko nifaly tamin'izay hita maso kosa
Fa raha ny fiainana no hovidiana lafo tsy azo atao trosa
Tsy tiko ny havezivezin'ny faniriana eny ho eny
Fa io fiainana io tsy hapino ny hanome fitahiana raha amiko irery!!
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1316 1
Mpakafy: berthinaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : BerthiN AinA
Nampiditra : berthinaina
Daty : 19/04/2016 04:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142