I VOLA (BerthiN AinA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
..............................Vola no hiantsoako anao izao
Vola satria naharesy ahy
Vola ianao,volavolampitia vaovao
Vola ianao fa fankampanahy
...............................
I vola ianao fa nanodina ny saiko
I vola ianao nahatonga ahy nitomany
I vola ianao fa tena izay nolalaiko
I vola hatrany ianao dia i vola mamy
................................
Vola ianao na ts hay na ariary aza
I Vola ianao fa mamiko toy ny akondro
io i Vola no teniko indraimbava!!!
I volampitiavako ianao ry zana-trondro
.................................
BerthiN AinA______2017
--------
Rohy:
Sokajy :
fiainana - Aingam-panahy