ILAY NOFIKO (BerthiN AinA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanonofy aho fa hoe vita Mariazy
Hafaliana tsy homby tratra ny niainako izany
Taitra tampoka aho teo ampankafizana azy
Maty fa hay kay nofy ihany

Tena tiko lay olo nanaiky ahy
Dia vao maika haza nofy tokoa
Na hanakorotana azy ary aho tsy sahy
Kay mbola nofy ihany koa

Fahasambarana be ny anay roa
Na dia tsy an'asa aza aho sy izy

Ny volatantely moa tany Ambohimahasoa
Loza fa nofy nitohy teto Ankindry

Tsy tsaroako namadika ondana
Fa nieritreritra no nataoko
Ny oroko lanin'ny Moka nibongana
Tsy niasako saina noho ilay Nofiko

BerthiN AinA
--------
Rohy:
988 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : BerthiN AinA
Nampiditra : Berthinaina
Daty : 17/06/2016 06:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015