LASA IANAO (BerthiN AinA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasa ianao
Lasa nandao
Lasa nakany
Lasa tsy niverina @n ity ankany

Manantena izaho
Manantena fa mbola hahita anao
Manantena hoe indray andro any
Manantena hifankahita fa boribory ny tany

Mino ary aho izao
Mino fa misy tokoa ny mahasahy mandao
Mino aho fa tanteraka ny tsy maintsy misaraka
Mino aho fa mbola hihaona isika @manaraka

Raha lasa ary ianao!!?
Raha sanatria dia tsarovy izao
Raha tety isika
Raha tsy tenimamy dia tambitamby no nifanolorantsika!!
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana
1225 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145