MAHANTRA AHO (BerthiN AinA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahantra aho,mantra!

Telo taona lasa izay
No nahafaty an'i Neny!
Tsaroako eto ilay ora iray
Nampangepoka ahy tsy nahateny

28 Aprily t@nio,andro takariva
Somary mody masoandro
Tamin'7 ora indrindra
No nikotsà-dranomaso tato an-trano

Nahantra aho nanomboka t@nio ora io
Satria dia very indray ny fananàkeliko
Mpanavotra ahy refa sendra tadio
Dia tsy iza izany fa ilay reniko

Mafy no niainako
Ary ho mafy dia ho mafy mintsy
Fa ilay harena kely nanànako
Dia mihafongana tsy hisy!!

Mahantra aho,mantra!

BerthiN AinA
--------
Rohy:
1278 1
Mpakafy: berthinaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : BerthiN AinA
Nampiditra : berthinaina
Daty : 06/05/2016 10:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148