MBA SAINO ! (BerthiN AinA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba saino kely
Ireny sahirana ireny
Fa tsy mba mitaraina
Na ho felahanao ny tehamaina

Mba saino koa ireto
Kamboty maro be eto
Zara fa misy mpiahy
Hany ka ny sasany matory amorondalana tsy nahy

Ary mba sainonao
Ny olombelona @n'izao
Fa miaina anaty fahasahiranana lalina
Ka mampanery ny sasany hivoaka alina

Mba saino ary na dia iray minitra
Ny fitomboan'ireto zaza maditra
Tsy voafehy intsony any amponja
Nefo mbola ts mahataitra ireto mpitondra


Mba saino avokoa ireo voatanisa tetsy ambony
Dia alao sary antsaina hoe oviana ny vavan-tsika no hiteny azy irony
Koa alao hery rahalahy ranabavy
Fa hanjaka ny kolikoly raha tsy hisokatra ny vavan-tsika hanohatra azy!

BerthiN AinA
--------
Rohy:
1046 2
Mpakafy: Narijean - berthinaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : BerthiN AinA
Nampiditra : berthinaina
Daty : 06/05/2016 03:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144