mandalo (cedric tolojanahary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandalo...

Mpiavahiny ihany.
Ianao no eto an-tany.
K'aza mitopy teny fatratra.
Na koa mirehareha,fa manana ny ampy.

Tadidio,saino tsara.
Fa na iza ianao na iza.
Raha mbola eto an-tany.
Dia tsy maintsy ho lasa ihany.

fa mandalo sy miserana.
Ny filany nofo.
NA ireo harem-be,noheverinao tsy ho lany.
Fa ny lova tsara indrindra.
Any andanitra any...

Mandalo,eny mandalo.
'Zay rehetra hitanao.
Mandalo avokoa,izao hary rehetra izao.

K'aza variana,na ko sondriana loatra.
Fa mbola ho levona,indray andro any.
Ireo zavatra vohavoatra...

Antson'ny fanahy...
--------
Rohy:
678 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015