You are here: home > Vetso

ny eto mahatanty - cedric tolojanahary

Nantsain'i
ikalamako

(...)

Raha toa ianao no lasa.
Mas├Čna ianao rahavana .
F'izaho hanova indray ny lasa.
Fa tsy an-tery ny fitiavana.

Raha toa ianao nandao.
Niala tsy tamana.
Ninia tsotr'izao.
Nisitaka sy niala.

Dia...izao koa no tsarovy.
Fa fiainana ny tany.
Ny anio mbola hiova.
Fa tsy hijanona  ny omaly.

Ny eto mahatanty.
'Zay rehetra entinao.
tsy mba manaiky ho resy an'ady.
Fa mikiry tsotr'izao.

Mahaleova mahalasàna.
Tso-drano ny ahy no atolotro.
F'indray andro any,any aoriana any.
Ho tsaroanao ny molotro.

Antsony fanahy.
        Na
Cedric tolojanahary

Sokajy : Fitiavana