tsara loatra (cedric tolojanahary)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsara loatra.

Izay tazako rehetra,toa tsara avokoa.
Ny volana aman-kitana.
Ny habakaba-manga
Ny rano mikoriana.
Ny vorona misioka.
Ary koa indrindra indrindra,ny masoandro mibaliaka.

Fa eny,tsara loatra
Ny ala maintso mavana.
Ny tendrombohitra,mitandavana.
Ny ranomasina midadasika,
HArain'ireo toram-pasika.


Ireo biby marobe,tsy hita isa.
Na mandady,na mikisaka,antapitrisa

Fa kosa tsara loatra.
Tsara mihoatra,noho ireo, vohahary rehetra.
Ny namoronanao ahy ,hitovy endrika aminao.
Ka hisaorako eram-po,eran-tsaina ihany koa.
Ny anaranao ry 'lay tsitoha.

Ry olombelona voahary.
'Zay mbola miaina eto an-tany.
Misaora ilay mpahary.
Ny fiderana tsy hita lany.
Mendrika azy izany.
Fa ianao no tsara indrindra.
Sy miavaka eto an-tany.
Voatokana hitoetra,any Andanitra any...

Antson'ny fanahy...
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
933 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedric tolojanahary
Nampiditra : cedrictolojanahary04
Daty : 14/09/2019 19:41
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156