HAVALONA (DADAFARAtolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aty andobon-dranomaso aho mahatsiahy ny vinantsika
Ilay hoe ho lohataona foana ka feno vola-mibaliaka
Tsy misy rahona manakona na kotro-baratra manaitra
Fa higoka fahasambarana, tsy misy fiainana mafaitra

Hay ny anao kay lela mamy,misalom-pitaka sy vandy
Izaho kanefa tena tia dia, sahy nanolotra ny sandry
Nomeko no tantananao, mba handravahanao tontolo
Ny safonao sy ny horokoroka, hay kay fitaka daholo

Ankehitriny aho tonga saina,andeha tapahako ny tady
Ho fafako koa ny fafana,dia hafa indray no alaiko vady
Ka ny ranomaso rehetra sy irony jaly tany aloha
Asaiko ho meny fanafody dia hanorenany tamboho
Dia ho sitrana ny feriko
Rehefa izy anaty jeriko
Ny mombanao havaloko any
Fa efa izy indray no mamy
Ato anivon'ny tontoloko
--------
Rohy:
132 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 24/06/2024 06:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1419