MIZOTRA MANKAIZA (DADAFARAtolotra)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ditsoka ny maso, anatin'ny alina mafaitraNaratranao ny foko, ka manjary tsy miraika
Tsy mitempo an-kafa, raha fitia no holazaina
Mahantra filaminana,misafotan'adin-tsaina
Aiza kay no lahatra, voatondro mba hizorana
Iza koa no lamba, fa voatendry hisalorana
Mangovitry ny lasa, ny fiainan'ny tontolo
Ka akoakon-tsento,injao no mifanolosolo
Ho sitrana ihany ve, amin'ny andro tsy hay faritana
Moa hahazo trondro, raha hamovo sy hamitana
Fa mbola tsy salama, ilay tànana fitiavana
Tsy afaka mandray,sy tsy mahita fiantsapazana
Tsaboina ianao ry fiainana, manomboka androany
Hivingitana tantely, sy hivatsiana zava-mamy
Bedesina hanadino, irony lasam-pahoriana
Ka hianoka fitiavana, amin'ny tena olon-tiana
Rehefa any aoriana!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotraNampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 15/01/2024 04:53