You are here: home > Vetso

TSY MBOLA MANDRY - dadatsima

Azo vakiana?

TSY MBOLA MANDRY
Tsy natory aho akory
Fa tena rendremana
Raha toa tsy niseho
Ka tsy hitanareo.

Tsy nangina aho akory
Fa nibitsibitsika
Ka tsy nisy nahatsikaritra,
raha  niresaka maharitra,

Tsy nanadino aho akory
Fa  mbola sempotry ny adidy
isan’ ora  mahatsiaro
nareo Hava-  sarobidy

tsy mbola antitra aho akory
na mety hanajafi-kely
fa nahabe  demosely,
lalam-piainana izany.




19/04/2013 DADATSIMA