Androany aho (Ny Avo Elabakaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androany aho tsy maintsy hitsiky, hanala ny zava-mahory
Ny alahelo mameno ny foko, tsy avela ho tonga eto intsony
Ilay fisainana mibaiko ny tena, ho feheziko mafy tokoa
Tsy avelako avelako hampitolefika intsony na hampitanondrika fo.


Arehatro eto androany, ilay herim-poko zay tena mafana
Ny andro manjombona rehetra, ariako tsy ataoko tamana
Ny rahona manamatroka fo, ariko hafeniko ireo
Fa masoandro baliaka tokoa, no hamonoko izay feo mitoreo.
--------
Rohy:
1186 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avo Elabakaka
Nampiditra : henuka
Daty : 01/09/2016 10:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098