Adino - EMI RAOELISON
Azo vakiana?
Fa ny soa sy tena tsara
Mazana takona tsy hita
Miafina ny hatsarana
Mora adino ny soa vita
Fa toa ny ratsy hatrany hiany
No voatsikera vovisavisa
Raha mba sendra mahatsiaro
Ny ratsy hiany, no voatanisa
Ireo ezaka izay natao
Nivadika ho disadisa
Noheverina ho mety izao
Hay,tamin’i hafa filana kisa
Ny lalana nizoranao
Marina tsy nikorisa
Hay tevana ao ambadik’ao
Afo fa tsy paradisa
Ty peniko aza mahatsapa
Ny tsara adino tsy voampanga
Fa toa ny ratsy hatrany hiany
No voasorany tsy lany
SORATRY EMi Raoelison
Hevitra mandeha
vetsoko (01/03/2005 13:21:56)
na izany aza aza avela ho tompon-daka ny ratsy,tsy nateraka ho resy ianao
emi (02/03/2005 20:33:49)
misaotra @evitra nomenao fa amiko tsy faharesena no tian'i soratro ho tenenina fa ny fanadinona ny tsara fa ny ratsy hiany no voavisavisa lava
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : EMI RAOELISON
Nampiditra : emiDaty : 28/02/2005
Mpamangy : 583
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ry tanikoMadagasikara
T a h o t r a
Sendra !
Koloiko
Voro-kely
Aloka
Feo
Tompo o !
Vavaka