You are here: home > Vetso

Ry taniko - EMI RAOELISON

Azo vakiana?

Mamiko ianao
Tiako sady hanitro
Fifaliany  saiko
Sitrako fa taniko

Tsy sarako mihintsy
Izato bikanao
Toa maro mpaka fia

Na mahantra aza
Tsy menatra mijoro
Sy tena be mpitia

Ilay sarisarinao
Mitongotr'akavia
Mailaka sy kinga
Mahavariana éry

Gaga ireo mpadalo
Mijery izato ianao
Ao ampovoa-ndrano
Mena tia mikalo

Sy ireo tahirinao
Mamiratra tsy loa
Ambony sy malaza
Miraky java-tsoa

Kanto ianao ry Nosy-ko
Saro-bidiko tokoa
Tsy miala eto ambozonako
Ny sarinao izay soa

Babonao ty foko
Ry Nosy-ko ry Taniko
Ka tsy haiko ny angiana
Tsy andefa ny vinaniko

Soratry Mi Raoelison le 28 Fevrier 2005

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : EMI RAOELISON

Nampiditra : emi
Daty : 28/02/2005
Mpamangy : 498
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Madagasikara
T a h o t r a
Sendra !
Koloiko
Voro-kely
Aloka
Feo
Tompo o !
Vavaka
Mangirifiry