You are here: home > Vetso

Sendra ! - EMI RAOELISON

Azo vakiana?

Avy ny orana androany
Maloka sy malahelo
Mikotroka tsy mety ho lany
mamoha ilay tsiambaratelo

Injany henoko mipatraka
Any antafo-tranoko any
Ranon'orana miraraka
Manakotsa tokotany

Voro-kely koa no indreny
Miriotra toa mitady ankany
Vizana niremby teny
Soa, sendra ravi-kazo ihany

Ka ny rivotra mitsoka
No nampitsahatra izany
Nodimbiasan'i masoandro
Mpivimbin'hafanana hatrany

Soratry Mi Raoelison

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : EMI RAOELISON

Nampiditra : emi
Daty : 28/02/2005
Mpamangy : 492
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Ry taniko
Madagasikara
T a h o t r a
Koloiko
Voro-kely
Aloka
Feo
Tompo o !
Vavaka
Mangirifiry