T a h o t r a (EMI RAOELISON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa ny rivotra nitsoka
Indraindray mitondra hery
Ka ny hatsembohana nandotra
No, nahamaininy tsy ho hita teny

Dia ny vovoka no tonga
nanditsoka ilay fony tery
Nanakona ilay natsoina
Diso lalana ka very

Fa, kitay lena nofakoina
Naroso hiitaninan'afo
Tsy nirehitra nidongy fona
Setroka sy ranomaso

Ny azava'ilay masoandro
No, sendra rahona nitsena
Naha- lasa maizina ny atoandro
Latsa-korana maraina

Fa, ilay hafanana nisy teo
tsy navelan'i fotoana fa--
Nodimbiasan'i hatsiaka
Soa...fa tsy ho mandava-taona

Ka ilay hatsiaka namanala
Fotsy, mivaingana toa tsara
Levon'ilay hafanana
Ka nikorina toa tsy tana

Ilay namana, mba fitafana
Nitokina hoe: tena tia
hay...mpoizina sy trano kala
Ratsy fomba,mpihatsara-velatsihy

Fa ny teny dia mandalo
Mora adino tsy tsaroana
Ny efa dify voatakalo
Voafafan'izay anoloana

Ireo toky omena koa mazana
Tsy azo antoka fa fitaka
Ratsy mifono hatsarana
Lainga mampisavoritaka

Fa, hazo maniry amoro-kady
Miandry lava izay hanjo
Faly raha sendra oran'avy
Matahotra ny hianjera koa

Fitiavana ny hanao ny marina
Mahitsy tsy mahay mivily
Kanjo... hay lavaka tsy hay takarina
Tahotra ilay fahiny



SORATRY Mi RAOELISON
--------
Rohy:
980 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : EMI RAOELISON
Nampiditra : emi
Daty : 28/02/2005 15:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141