Vavaka (EMI RAOELISON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Andriamanitro o !
Misaotra anao aho
Nohon’ilay fitiavanao
Misaotra anao aho
Nohon’i hatsara-ponao
Sy ny fahasoavanao
Fa soa sy lehibe
Ny voninahitrao
Ka hisaorako anao
Ny vali-mbavako rehetra
Voaraiko Tompo o !
Hery ho ahy avi-aminao
Haleloia ry Jesosy
Ity aho mpanomponao
Tarito aho anara-dia
Ampianaro fahendrena
Ambeno aho mba tsy hivena
Hijoro hatrany tsy hania
Ampianaro fandeferana
Mba tsy ho latsa-mpanenenana
Arovy aho ry Raiko tia
Ka ovay aho Tompo o !
Ovay mba ho mpanomponao
Ho mpanao zay sitrakao
Ity aho manolo-tena
Ho anao Tompo o !
Manolo-tena ho vonjena
Ka ny vadiko sy ireo zanako
Angatahiko aminao
Mba ho feno fahendrena
Mba ho eni-mpasoavana
Ho fenonao fitiavana
Omenao ny famonjena
Arovy izahay Jesosy
Ami-ilay fitiavanao
Omeo ny fasoavanao
Ireo helokay rehetra
Vonoy raha toa ka sitrakao
Hiankohofako aminao
Haleloia ry Jesosy
Deraina ny fitiavanao
Hobina ny anaranao
Misaotra anao aho Tompo o !
Nohon’i voninahitrao
Fitiavana tokoa ianao
Jehovah Rain’i Habraham
Ianao no Andriamanitray
Hiankohofanay mandrakizay AMEN

SORATRY EMI Raoelison
--------
Rohy:
1249 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : EMI RAOELISON
Nampiditra : emi
Daty : 28/02/2005 17:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099