Boky (EMI RAOELISON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity fihanakin’i rano
Mandifitra izay ho aleha
Tsy ahitana ny amindrana
Toa gadra andrasana mpifehy

Ny asambarana nofisina
Tonga hiany mba nitsiky
Fa ny alahelo koa rongitina
Nidongy toerana nikiky

Tsemboka omba-pitiavana
Haritra ary tena mamy
Tsy mba kivy tsy mba niavona
Tsy lafatra fa lavorary

F’ireo korana sy ny dihy
Nandalo hiany toin’i tomany
Ny fosan’ireo tsy tia
Hiviliana tsy ankarary

Ireo dimby no manovo
Ny hiafarany rahatrizay
Reo antitra efa zatovo
Mpifofotra tsy mety ho fay

Ady sy tolona mangina
Mangataka ami-ilay Nahary
Zaka ny hazo fijaliana
Tsy maintsy izay, raha eto an-tany

Tsy tanteraka ny hoe ampy
Tsy tonga lafatra ity hira
Hivotra anefa no voady
Atonta ho BOKY ilay DINA



SORATRY Mi Raoelison
--------
Rohy:
1269 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : EMI RAOELISON
Nampiditra : emi
Daty : 28/02/2005 17:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112