You are here: home > Vetso

Feo - EMI RAOELISON

Azo vakiana?

Ako no mifampitsena
Ampitaina mba ho any
Zoto tsy misy fanerena
Fitiavana tsy voatana

Feo mitondra ilay teny
Fijery tsy afa mifanena
Noelanelanin’ilay tany
Ny maso bongo no mahonena

Feo no nalefa nanivatsiva
Nameno reo banga tao antsaina
Ka niha sitrana ilay ratra
Fa re lay feo mpitondra aina

Toa nanjary nahazatra
Ireo holana fa olo miana
Soa anefa teo ilay feo
Nameno hery ilay saina

Ilay feo nalefa nampitaina
Lasa fa namela hery
Naha maivana adi-tsaina
Nana-maina ilay fery

Feo hiany koa anefa
No nanimba ilay teny
Nampiova fo hilefa
Namela jadona ombieny



SORATRY  EMi Raoelison

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : EMI RAOELISON

Nampiditra : emi
Daty : 28/02/2005
Mpamangy : 472
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Ry taniko
Madagasikara
T a h o t r a
Sendra !
Koloiko
Voro-kely
Aloka
Feo
Tompo o !
Vavaka