Mangirifiry (EMI RAOELISON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te hitsahatra tsy hiteny
Ra-izay no fanafody
Ampikatona ny fery

Te-angina tsy ho heno
Ra- izay no mety atao
Ampodina ny efa lao

Te-amono eritreritra
Te-andositra tsy ahita
Te-anadino ny efa vita
Te- anampi-tsofin’aza
Te- anodina ny loa
Te- atory tsy hifoa

Fa reo anatra rehetra
Efa tapitra natao
Tsy nisy vokany nandao

Ny ranomaso sy ny teny
Fo maratran’ity Reny
Rendrika nahatsiaro very

Mijery ny afa ka mangaina
Tsy mba manak’antenaina
Maratra sy miferonaina

Nanantena fihovana
Diso ny fanantenana
Mitohy atrany ny adalana

Te- angina tsy hiteny
Hanampi-tsofona hiery
Mahantra raha samy Reny

Ka mipitra mitomany
Ory anefa eo hiany
Fara hidiny eto an-tany

SORATRY EMi Raoelison
--------
Rohy:
940 0
Hevitra mandeha
vetsoko ( 01/03/2005 13:17)
mampahery an'i emi tsy ho latsaka anaty famoizam-po,misy namana mampahery betsaka ato @ serasera,apetraho @ tompo ny fiainana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : EMI RAOELISON
Nampiditra : emi
Daty : 28/02/2005 17:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119