Ny taona (EMI RAOELISON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nandalo nihodin’ilay taona
Toa niha matotra avy hatrany
Nirifatra ilay fotoana
Roa arivo no io fa tamy

Nihazakazaka tsy tratra
Fihodi-pamataran’ora
Vetivety nampidanaka
Ny taona iray toa tsy ela akory

Mirimorimo toa tsy hita
Nahavarina tsy nampino
Ilay zaza teo toa vao omaly
Efa mitantana ankehitrio

Ilay endrika nalandilandy
Niketrona no niafarany
Bika nahavaka maro
Nanjoko nihondrika hiany

Ilay volo mainty lasa angano
Fotsy sasaka sy lany
Ilay natanjaka tsy kamo
Reraka sy nihova hiany

Ireo maso sy fijery teo
Toa nanjary ravarava
Ny famindra sy ilay feo
Lasa nandatsa sy niampanga

Ny taona koa etsy amizany
Tsy nety fa nitombo hatrany
Toa maika lava tsy mihera
Mampihorohoro ny efa hianjera

Raha azo ajanona ny ora
Azo sakanana tsy ho lany
Dia nogiazana mihintsy
Ninona hiafarany

Tsy hisy mihintsy anefa izany
Ny taona dia mitombo hatrany
Fahatanorana mandalo hiany
Fahanterana koa aza,vovoka no hiafarany.

SORATRY EMI Raoelison
--------
Rohy:
819 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : EMI RAOELISON
Nampiditra : emi
Daty : 28/02/2005 16:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136