Ririnina (EMI RAOELISON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kanto mahalasa saina
Ity andro ny ririnina
Ka ireo hazo anjaridaina
Mangia-potsy sy mijihina

Voarava-ndady hazo
Sarona ilay maintso mavana
Voahovany ireo nalazo
Ka varina ireo mpitazana

Botsika sy mangatsangatsaka
Ity nodiavina rehetra
Endrika zay tena lafatra
Mendrika ny mitoetra

Mampatsiahy ny Noely
Mahalasa eritreritra
Ririnina toa misitery
Mangatsika fa manendrika

Fa voalaminy avokoa
Ny mikorotana rehetra
Manjombona fa mahasoa
Madio tsy mety ho voretra

Mifafy ny rano-panala
Toa lasa mahazatra
Nanova fo tsy hankahala
Naniratra sy nampitraka


SORATRY EMi Raoelison
--------
Rohy:
874 0
Hevitra mandeha
bichette ( 02/03/2005 15:12)
mahafinaritra tokoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : EMI RAOELISON
Nampiditra : emi
Daty : 28/02/2005 17:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138