Samy tiko (EMI RAOELISON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Migaina sady tena maina
Toa mandoro ty masoandro
Ka eto aho no lasa saina
Alofan’elo ka mikalo

Io mitsidik’ato an-tsaiko
Ilay tani-ndrazako malala
Mangaina aho sy toa misento
Very saina toa adala

Manina ilay tani-ndrazako
Na dia mamiko aza ny eto
Fantatro izay voalazako
Tsy voatazoko ny sento

Toa mamy ny atsy fia ny aroa
Tsy adala aho raha toa izany
Fa samy mamiko tokoa
Paris sy Gasikarako any

Mahasambatra ahy ny eto
Ilay any koa toa izany
Any aho toa velo tsento
Eto aho toa mitomany

Ilay taniko tsy foiko
Any ampita-ndrano any
Ho anao no hikaloko
Ry tani-ndrazako mijaly

Fa i Paris kosa indray
Tsy latsaka nohon’izany
Ianao no toa izao zahay
Ka tiko ianao sy tena mamy

Etsy atambatro sy asandratro
PARIS sy MADAGASIKARA
Samy tiko samy lafatro
Tsy misy foiko, ahy sy sahala

SORATRY EMi Raoelison
--------
Rohy:
802 0
Hevitra mandeha
Arofanina ( 16/02/2015 06:34)
Tsara e!
Malalaka ny fo ka omby fitiavana toerana mamy na maro aza...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : EMI RAOELISON
Nampiditra : emi
Daty : 28/02/2005 17:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096