You are here: home > Vetso

Soratro - EMI RAOELISON

Azo vakiana?

Soratra no manamaivana
Ny alahelo sy ny etsatra
Soratra hiany koa
No fifaliana mitoetra

Voazara ami-soratsoratra
Ny tina ambara sy ampitaina
Mivoka ho azy sy miboraka
Na ny hafalina na taraina

Ka dia maivana ny tena
Fa voazara ny alahelo
Tena feno ny hafaliana
Fa voasoratra izay heno

Ka ny hita sy ny tazana
Izay manintona ny saina
No voarangotr’ity tanana
Mipetraka tsy very maina

Soratra fa any namana
Azo an-toka tsy amadika
Soratra tsy mety hifarana
Tsy mifosa tsisy ambadika

Manoratra fa manimanina
Mandrangotra ny alahelo
Soratra tsy mba nomanina
Fa tonga ho azy ary feno

Soratra hiany koa
No famborahan’hafaliana
Ka mibitaka ny fo
Fa voarangony ao ny Dina

Soratry EMi Raoelison

Hevitra mandeha

vetsoko (01/03/2005 13:20:30)

soratra:lokon'ny ao anaty,fitaratra

emi (01/03/2005 22:46:33)

merci pour la rectification ! je suis desolé d avance pour toutes les fautes d'orthographe ! j'aime tout simplement ecrire les soratsoratra !
merci ! a la prochaine

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : EMI RAOELISON

Nampiditra : emi
Daty : 28/02/2005
Mpamangy : 480
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Ry taniko
Madagasikara
T a h o t r a
Sendra !
Koloiko
Voro-kely
Aloka
Feo
Tompo o !
Vavaka