Tahiry - EMI RAOELISON
Azo vakiana?
Tahiry tsiaro fahantsiarovana
Tadidy fa tsy hoe taraina
Voarangotra tsy hay nafenina
Narafitra tsy ho very maina
Tsiaro dia nontantaraina
Izay nahasorena koa voateny
Holan’i hafa mba nozaraina
Voarangotro ao daholo ireny
Rangotra fa mitahiry
Na dia namizana ny saina
Mamy nampangirifiry
Andry najoro mba ho aina
Rakitra ilay tahiry
Zava-kanto sarobidy
Romi ilay zaza mahavarina
Dina ilay fatotra mihidy
Hezaka tsy fohy hiraraka
Voasoratra ary voateny
Tahiry ho an’ireo taranaka
Ireo, no dia-ndrangotro ombieny
SORATRY EMi Raoelison
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : EMI RAOELISON
Nampiditra : emiDaty : 28/02/2005
Mpamangy : 508
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ry tanikoMadagasikara
T a h o t r a
Sendra !
Koloiko
Voro-kely
Aloka
Feo
Tompo o !
Vavaka