Vazo (EMI RAOELISON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vazo tsara fiantefana
Tojo kalo ka dia mamo
Sendra tiana naha-adala
Ka rempotra tsy mety ho kamo

Feo voalohany nandalo
Voatanan’ilay feo faharoa
Nampiarahina ho kalo
Ka naha torotoro fo

Fitiavana no nisasarana
Tao am-po tsy tina ho mona
Noezahina mba tsy hifarana
Ny hirany tsy tina ho fona

Vazo, fa nampilamin’ady
Voaravak’ilay feo faharoa
Ka nanamafy indray ny voady
Nampifamatotr’olo ndroa

Talenta na dia tsy nivoka
Voninahitra ao am-po
Feno tsy mba mety ho koka
Tsy misy lainga , tsy mety ho lo

Tono-kalo, sy hirahira
Feo-njava maneno koa
Fatratra tsy mety angina
Tsy mety ho vasoka ny soa

Antitra fa heno hiany
Mihiratra sy miha-tsara
Ireo vazony toa faly hatrany
Tsiaron’i hatanorana

Tandindon’ireo taona maro
Ireo volo-fotsiny mitsimoka
Voafehin’ilay tono-kalo
Nihavaka tsy mety ho bitika

Ny hatanorana no nandalo
Fa ny asany,mitoetra hatrany
Ireo hirany sy tono-kalo
Tsy vasoka, tsy mety ho lany.
SORATRY EMi Raoelison
--------
Rohy:
949 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : EMI RAOELISON
Nampiditra : emi
Daty : 28/02/2005 17:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198